Tao anatin’ny herintaona dia niezaka tsy namoaka ny fitarainana ireo mpampianatra tsy miankina ara-teknika manoloana ny tsy fandraisan’izy ireo ny karamany isam-bolana.
Ny alatsinainy teo dia nanao antso avo izy ireo amin’ny minisitera mpiahy. 9 volana be izao io karama tsy voaloa io raha nanomboka ny volana febroary teo dia efa tsy nandray izany izy ireo. Efa nisy ihany ny fitarainana nataon’ireo solontenan’ny mpampianatra tsy miankina fa saingy tsy nisy nihaino izany. Ny talem-paritra ara-teknika ao Mahajanga dia tsy mbola nanazava marina ny tena antony tsy nahafahana nandoa ny karaman’ireo mpanabe ireo. Araka ny resaka mandeha anefa dia efa mitady ny vahaolana ny tompon’andraikitra. Roa volana no efa voaloa saingy tsy mbola namaha ny olana sedrain’ireo mpampianatra ireo hatrany izany. Hatreto dia mbola miandry ny famahana ny olana ireo mpampianatra avy amin’ny fanjakana ary raha tsy misy izany dia mety hiafara amin’ny fitokonana fanairana izany, hoy hatrany izy ireo.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.