Na dia efa tonga aza ny milina izay nandrasana mba ialana amin’ny delestazy dia tsy afaka hatrany io aretina iray io fa ny solika indray izao no olana mampisy ny fiverenan’ny delestazy ao Mahajanga hoy ny tompon’andraikitra ny orinasa Jirama.
Tao anatin’ny herinandro dia efa tapaka isan’andro ny herinaratra satria dia kely ny solika entina hampihodinana ny milina vaovao ireo. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny mpitantanana ny orinasam-panjakana io dia tsy ampy vola afahana mamatsy solika ny fanjakana foibe ka izay no antony ny delestazy matetika. Raha ny zava-misy anefa dia tsy mitsahatra hatrany ireo mpanjifa no mandoa ny faktiora laniny isam-bolana saingy tsy afa-po ny amin’ny fisian’ny herinaratra ampiasaina isan’andro. Tsy atao mahagaga tokoa ny fihetsika ny mpitondra ankehitriny ny amin’ny filalaovana ny olan’ny firenena. Andrasana hitokona indray ve ny olona vao hihetsika ny fanjakana ?
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.