• Zoma 17 Aprily 2015
Actualités.Ankililoaka Toliara II Telo isan’andro ny olona matin’ny aretina hafahafa

Miely ny tsaho fa «lolo» na «angatra» no mamafy ny aretina tsy fanta-pototra mandripaka olona maro any amin’ny Kaominina Ankililoaka distrikan’i Toliary II. Tsy mbola voafaritra mazava hatramin’izao ny fototr’aretina na «tazomahery» na inona. Manao fehy lamba mainty eo amin’ny tanany an-kavia sy ny tongony an-kavia avokoa ny ankamaroan’ny olona ho antoka tsy hahazoana ilay aretina, noho ny baikon’ny ombiasa.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 17 Aprily 2015
Actualités.Minisiteran’ny Varotra Hiady amin’ny fanimbana ny tsena

Nisafidy ny fahalalahana ara-toekarena mangarahara sy tsy manavaka i Madagasikara.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 17 Aprily 2015
Actualités.Kianja filalaovam-baolina ao Moramanga Navadika ho tsena vonjimaika

Nafindran’ny kaominina ambonivohitr’i Moramanga ao amin’ny kianja monisipaly filalaovam-baolina sy fanaovan’ny mpianatra fanatanjahantena vonjimaika ireo mpivarotra teo amin’ny tsenan’ity tanàna ity noho ny fanamboarana hataon’ny orinasa Ambatovy.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 17 Aprily 2015
Actualités.“Cyclo-pousse” nangalarina tao Antsirabe Noraisim-potsiny tany Ambositra

Ilana fahamailoana ny fampanofana ireny fitaovam-pitaterana “cyclo-posy” ireny. Tranga iray no niseho tao Antsirabe tamin’ity herinadro ity.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 17 Aprily 2015
Actualités.Asa «Web» Fanoitra ara-toekarena ho an’i Madagasikara

Manohana ny fampiroboroboana ny famoronana asa eto Madagasikara ny Telma. Manavanana azy tanteraka rahateo ny sehatr’asa momba ny tontolon’ny fifandraisan-davitra miaraka amin’ny fampiasana ireo hairaha avo lenta toy ny solosaina sy ireo fitaovana hiaka farany tahaka ny tambajotra «câble Eassy» sy ny «backbone».

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 17 Aprily 2015
Actualités.Fanafihana mitam-piadiana teny Avaratr’Ankatso Mpitsabo iray namoy ny ainy

Mpitsabo iray antsoina hoe Radany no namoy ny ainy ary zanany iray hafa izay manan-kilema no mbola miady amin’ny fahafatesana noho ny ratra nahazo azy.

Hamaky ny tohiny
FTT