Actualités

Ankililoaka Toliara II Telo isan’andro ny olona matin’ny aretina hafahafa


  • Zoma 17 Aprily 2015

Miely ny tsaho fa «lolo» na «angatra» no mamafy ny aretina tsy fanta-pototra mandripaka olona maro any amin’ny Kaominina Ankililoaka distrikan’i Toliary II. Tsy mbola voafaritra mazava hatramin’izao ny fototr’aretina na «tazomahery» na inona. Manao fehy lamba mainty eo amin’ny tanany an-kavia sy ny tongony an-kavia avokoa ny ankamaroan’ny olona ho antoka tsy hahazoana ilay aretina, noho ny baikon’ny ombiasa.


Fokontany maromaro no tena lasibatra toa an’i Ambararatafaly, Andranondava, Amboboky, Antanilehibe, Anteteza ary Tranolahatry. Ireo ankizy madinika sy tanora no tena lasibatr’ity valan’aretina ity raha ny fitantaran’ny mponina any an-toerana amin’ny fitrangan’ny aretina amin’ny ankapobeny. Mivonto haingana dia haingana ny ratsam-batan’ny marary, avy eo manopy mavo ny hoditra sady mitaraina marary mafy ao amin’ny hazon-damosiny. Tsy ampy adiny iray dia tsy afa-mitsangana intsony ny marary. Raha tsy voatsabo ara-potoana dia mamoy ny ainy avy hatrany. Raha ny loharanom-baovao efa hatramin’ny fotoanan’ny ranobe iny no nitranga voalohany ny aretina, ary tsy latsaky ny telo isan’andro no maty.

Tazo mahery

Raha ny fanazavan’ny mpitsabo tsy miankina iray miasa any an-toerana, dia karazana tazomoka mahery no mitranga ary ny tsy famonjen’ny mponina ara-potoana tobim-pahasalamana no mahatonga ny firongatry ny aretina malaky. Nomarihan’ity mpitsabo ity fa tsy manam-bola ahafahana mamonjy mpitsabo ny maro amin’izao fotoanan’ny maitso ahitra izao, ary efa mihombo be ihany koa ny aretina vao mihazakazaka mamonjy dokotera ny mponina.

Eric R.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT