Actualités

Fanafihana mitam-piadiana teny Avaratr’Ankatso Mpitsabo iray namoy ny ainy


  • Zoma 17 Aprily 2015

Mpitsabo iray antsoina hoe Radany no namoy ny ainy ary zanany iray hafa izay manan-kilema no mbola miady amin’ny fahafatesana noho ny ratra nahazo azy.

Izany dia vokatry ny fanafihan’ny andian-jiolahy nirongo basy mahery vaika  « Kalachnikov »  omaly alakamisy tamin’ny 2ora maraina  teny avaratr’Ankatso , teny akaikin’ilay toerana nanapoahana vato. Very nandritra io fanafihana io ihany koa ny volam-piangonana rehetra izay tao  an-tranon’ity  mpitsabo ity. Mpitam-bola  moa no andraikiny ao amin’ny fiangonana nisy azy  ka mety olona nahalala ny fisian’izay vola izay no atidohan’ny fanafihana. Marihina fa  niparitaka sy tavela  teo amin’ny toerana nanaovana ny fanafihana ny  ambin’ny  bala  avy nitifirana ny tompon-trano ka antenain’ny mponina eny an-toerana mba hahitana ny nahavanon-doza ny  fahafantarana ireo laharana misoratra amin’ireo ambina bala ireo.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT