Actualités

Asa «Web» Fanoitra ara-toekarena ho an’i Madagasikara


  • Zoma 17 Aprily 2015

Manohana ny fampiroboroboana ny famoronana asa eto Madagasikara ny Telma. Manavanana azy tanteraka rahateo ny sehatr’asa momba ny tontolon’ny fifandraisan-davitra miaraka amin’ny fampiasana ireo hairaha avo lenta toy ny solosaina sy ireo fitaovana hiaka farany tahaka ny tambajotra «câble Eassy» sy ny «backbone».

Ezaka sahanin’ny Telecom Malagasy manokana moa ny manitatra ireo fotodrafitrasa fanamorana ny fananganana ireo orinasa mifototra amin’ny fikirakirana ireo karazana asa «web». Anisan’izany ny fikarakarana ny «Salon des métiers du Web et de l’Externalisation» izay fanoitra fampandrosoana ny toekarena Malagasy notanterahana teny amin’ny Carlton Anosy ny 15 sy 16 aprily 2015. Fampirantiana nampahafantarana ny tanjak’ireo orinasa mpisehatra hatrany amin’ny 70 mahery mivoy ny fifandraisan-davitra, ny harena ara olona ary ny fananan’i Madagasikara tombony eo amin’ny sehatry ny fifaninanana iraisam-pirenena. Hetsika ihany koa nampahalalan’ny Telma ireo tolotra mifanaraka amin’ny filan’ireo mpampiasa vola sy orinasa.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT