Actualités

“Cyclo-pousse” nangalarina tao Antsirabe Noraisim-potsiny tany Ambositra


  • Zoma 17 Aprily 2015

Ilana fahamailoana ny fampanofana ireny fitaovam-pitaterana “cyclo-posy” ireny. Tranga iray no niseho tao Antsirabe tamin’ity herinadro ity.

 

 Lehilahy iray no voalaza fa nanofa itony fitaovana itony mba hiasany teny Vatofotsy, noho ny fiangaviany. Nandritra ny iray volana teo dia nilamina ny fanofany ny fitaovana. Nanomboka ny alatsinainy lasa teo anefa dia tsy hita intsony izy raha nilaza tamin’ny tompony fa hiasa alina izy ka ampiasainy maraina sy alina ny fitaovana. Natao ny fikarohana rehetra narahina fitarainana teny anivon’ny mpitandro filaminana fa nanjavona izy sy ny cyclo-posy. Nisy nahatsikaritra ihany fa nianatsimo ny diany ka nampandrenesina izay mety mahita azy amin’iny lalam-pirenena faha-7 iny. Akory tokoa fa nentiny tany Ambositra ny zavatr’olona ary fiara iray avy tany no nampandre ny tompony fa hitany any Ambositra ilay fitaovana. Natao avy hatrany ny fanarahan-dia ka tratra teo am-pirevena, nampirevy ireo namany ilay mpitari-posy fa nidehaka ho nahazo, hono, rehefa niala tany an-toerana volana vitsivitsy izay fa handeha hikarama. Ny tohin’ny fanadihadiana ihany no nahafantarana fa malaza ho mpanendaka ity lehilahy ity amin’ny alina ary matory fotsiny eo ambonin’ny cyclo-posy izy ny antoandro ary efa tsy nisy nampanofa posy azy intsony raha tsy ity teny Vatofotsy ity. Efa natolotra ny polisy any Ambositra moa ny lehilahy.

Caïus R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT