Nisafidy ny fahalalahana ara-toekarena mangarahara sy tsy manavaka i Madagasikara.
Efa tsinjo ireo ezaka notontosaina hialana amin’ireo fomba mamohehatra sy ny ady amin’ny fahantrana hatramin’ny taona 2008 nisian’ny fandinihana faharoa ny antontan-kevitra mirakitra ny politika sy ireo fomba ara-barotra Malagasy eo anivon’ny OMC. Nanatanteraka atrikasam-pirenena hanatsarana ny politika ara-barotra eto Madagasikara moa ny minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana niaraka tamin’ireo sehatra samihafa voakasik’izany ny alarobia lasa teo teny amin’ny Espace Dera. Niainga tamin’ireo hevi-dehibe voasoritra tamin’ny taona 2008 nasiam-panavaozana mifanaraka amin’ny tondrozotra vaovao hita ao anatin’ny drafi-pirenena ho amin’ny fampandrosoana moa io politika ara-barotra Malagasy vaovao io. Anisan’izany ny fampijoroana ny filankevitry ny Fifaninanana sy ny fahefam-pirenena momba ireo fepetra fanitsiam-barotra. Rafitra natao hampihatra ireo lalàna hanadiovan-tsena hamongorana ireo fomba ratsy manimba ny fifanakalozana. Hodinihana fanintelony eo anoloan’ny fikambanana manerantany momba ny Varotra any Genève ny 14 hatramin’ny 16 jolay 2015 ity dosie ity aorian’ny fankatoavan’ny filankevitry ny governemanta ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.