Nafindran’ny kaominina ambonivohitr’i Moramanga ao amin’ny kianja monisipaly filalaovam-baolina sy fanaovan’ny mpianatra fanatanjahantena vonjimaika ireo mpivarotra teo amin’ny tsenan’ity tanàna ity noho ny fanamboarana hataon’ny orinasa Ambatovy.
Hisaorana an’ity farany izany finiavana izany, hoy Atoa Randriamamiarizafy Ignace CT taloha tamin’iny toerana iny, saingy mampanahy ny mety tsy hialan’ireo mpivarotra an’arivony mety hameno ity toerana ity intsony rehefa tena zatra ny toerana ny olona ary efa mandeha tsara ny varotra. Mampahatsiahy ny nanomezan’ny raiamandreny Guy Willy Razanamasy vonjimaika ny kianjan’ny Coum 67 ha ho an’ny mpivarotra teto Iarivo sy ny namindrana hoe vonjimaika koa ireo mpivarotra teny Ivato ity resaka ity ary fantatsika fa tsy nety niala intsony mandrak’ity ny androany ireo mpivarotra amin’ireo toerana ireo efa am-polony taona maro izao ka zary very an-javony teo ny maha kianja ireo toerana roa ireo. Ny tena mampalahelo amin’ny any Moramanga dia tsy hisy toerana hanaovan’ny tanora mpianatra fanatanjahantena sy hiatrehana fanadinana ofisialy intsony any amin’ity tanàna ity. Azo ambara fa tsy mahay sy mahafantatra ny antsoina hoe “Gestion des espaces urbains et des Administrés” ny mpitantana ny kaominina ao Moramanga. Fantaro anefa, hoy ity CT taloha ity, fa amin’ny fitantanana kaominina ambonivohitra tahaka an’Antananarivo sy Moramanga dia ity “Gestion “ voalaza teo ity no mitana ny 70 %-n’ny asan’ny Mera iray. Tafiditra ao anatin’io fahaiza-mitantana iray io, ohatra, ny fandrindrana ireny amboteazy sy fanotorana fahatany tany ireny. Ny 25 % kosa dia ny “Gestion budgétaire” misy ny “investissements” sy ny “fonctionnements” ka ny fahaizana mitady vola tsy mampiasa azy no tena ilaina eto, ary ny fahatelo farany dia ny “Gestion des ressources Humaines” ka homena ny karama tena sahaza azy ny mpiasan’ny kaominina hahazoana tena manome “services” tsara ny vahoaka. Mitana ny 5 % ny fitantanana kaominina iray io. Ny fitambaran’ireo zavatra telo loha voalaza teo ireo dia tsy maintsy tokony ho hain’ny ben’ny tanàna an-drenivohitra tsara mba tena hahafahany mampandroso ny tanàna iadidiany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.