• Alarobia 22 Aprily 2015
Actualités.Antsirabe Tovolahy mpibata entana, hita faty tao anaty tatatra

Tovolahy iray tokony ho 25 taona, ireny mpibata entana ireny indray no hitan’ny mponina tao Atsimontsena Sabotsy, Antsirabe maty an-tatatra. Ankizy sendra nandalo no nahita ny razana nitsirara tao an-tatatra. Niantso ny manodidina izy ka efa vatana mangatsiaka no hitan’ny olona ny marainan’ny talata 21 aprily lsa

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 22 Aprily 2015
Actualités.Champions League Nandresy mazava ny Barça sy ny Bayern

Tsy nisy ny fahagagana teo amin’ny lalao ampahefa-dalan’ny champions league omaly alina, nomontsanin’ny Fc Bayern Munich tamin’ny isa 6 no ho 1 ny FC Porto. Namono baolina avokoa ireo mpilalao kalazan’ny Bayern tahaka an-dry Boateng, Muller,Lewandowski …

Hamaky ny tohiny
  • Talata 21 Aprily 2015
Actualités.Fanamparam-pahefana Polisy nandrodana tranon’olona tsy nisy didim-pitsarana

Raha ny nambaran’ny zanaka lahin-dRtoa Zarasoa Odette, « disadisam-pianakaviana taorian’ny nahafaty ny anabaviko no fototry ny olana, satria lazain’io Jeneraly io fa ny reniko no namosavy namono ny anabaviko. Ny marina dia teren’ity jeneraly ity hanambady vehivavy iray hafa sakaizany ny raiko izay havany.». Nomarihany fa 30 taona nivady ara-panjakana ny ray aman-dreniny ary niteraka efatra. Raha ny vaovao voaray farany, omaly ihany no nametraka fitoriana ny niharam-boina.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 21 Aprily 2015
Actualités.Fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina Efa azo ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana

Nisy indray ny fakan-kevitra avy amin’ny vahoaka nataon’ny seranan-tsambon’i Toamasina tafiditra amin’ilay fanitarana atao sy amin’ny fahazoany ilay fahazoan-dalana ara-tontolo iainana amin’ny fanamboarana. Tao amin’ny lapan’ny faritra atsinanana ny alakamisy teo no nanaovana izany, nanasana ireo solontenam-bahoaka sy ireo fiarahamonim-pirenena ary ireo talem-paritra samy hafa ihany koa.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 21 Aprily 2015
Actualités.Air Madagascar Misy olana indray ilay ATR 72 -600

Sasatry ny mifamaly amin'ny mpandeha ny kaompania Air Madagascar. Matetika no tavela ny entan'ireo mpandeha noho ny tsy fahazakan'ilay fiaramanidina ATR 72 -600 azy,

Hamaky ny tohiny
  • Talata 21 Aprily 2015
Actualités.BCMM Antsirabe Hatsangana ny biraom-paritra

Napetraka tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 18 aprily lasa teo ny vatofototra ho fananganana ny biraom-paritry ny harena ankibon’ny tany sy ny rantsan’ny BCMM na ny “Birao miadidy ny sora-pananana momba ny harena ankibon’ny tany” ao Vakinankaratra.

Hamaky ny tohiny
FTT