Sasatry ny mifamaly amin'ny mpandeha ny kaompania Air Madagascar. Matetika no tavela ny entan'ireo mpandeha noho ny tsy fahazakan'ilay fiaramanidina ATR 72 -600 azy,
indrindra rehefa feno avokoa ny toerana 78 ao anatiny. Sarotra ho an’ny kaompania anefa ny handa tsy hitondra ny mpandeha efa nekena ny tapakilany, mba hoe hahafahana mitondra entana. Voalaza fa tsy mahazaka hafanana io fîaramanidina vaovao io. Ho avy amin’ny 2 mey izao ny fanampiny.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.