Raha ny nambaran’ny zanaka lahin-dRtoa Zarasoa Odette, « disadisam-pianakaviana taorian’ny nahafaty ny anabaviko no fototry ny olana, satria lazain’io Jeneraly io fa ny reniko no namosavy namono ny anabaviko. Ny marina dia teren’ity jeneraly ity hanambady vehivavy iray hafa sakaizany ny raiko izay havany.». Nomarihany fa 30 taona nivady ara-panjakana ny ray aman-dreniny ary niteraka efatra. Raha ny vaovao voaray farany, omaly ihany no nametraka fitoriana ny niharam-boina.
Fanamparam-pahefana
Tsy nisy didim-pitsarana teny an-tanany, tsy nisy solontenan’ny fokontany sy mpitandro filaminana nanatitra, fa avy hatrany dia narodana Jeneraly Polisy iray, milaza ho tompon’ny tany, ny tranon’olon-tsotra niorina 30 taona ao amin’ny fokontany Amborongony-Est Toliara, omaly maraina tamin’ny 8 ora, ary navoakany an-keriny teny ivelany avokoa ny entana rehetra tao an-trano. Noho ny hatairana tamin’ny fahapotehan’ny fananany sy ny antsojay natao taminy, torana ramatoa Zarasoa Odette, 47 taona, tompon-trano, ka voatery nentina teny amin’ny hopitaly (urgence). Tsiahivina fa vao ny 1 martsa teo no maty ny zanany vavy 25 taona. Tsy mbola nikombona akory ny fery, dia rava tao anatin’ny indray mipi-maso ny fananana nohariana an-taonany maro.
Mpisoloky
Raha ny loharanom-baovao dia an’ny FJKM ny tany, ary tsy mbola vita « borne ». Tonga teny an-toerana ny vadintany nantsoin’ny fianakavian’ny rava trano nijery ny zava-nisy, ary nampahatsiahy tamin’ity Jeneraly ity, fa fandikan-dalàna sy fanamparam-pahefana no nataony, nefa tsy noraharahainy izany. « Izay no lalàna, hoy ity Jeneraly tale iraisam-paritry ny Polisy tao Toliara teo aloha ity. Azy ny tany, ka tsy mila didim-pitsarana izany », hoy i Me Rakotonoely Sylvain Gabriel (Sissi), huissier de justice, nitafa tamin’ny mpanao gazety. Nanamafy Me Sissi, fa « ny vadintany mitondra didim-pitsarana ihany no afaka mandroaka olona sy mandrodana trano ».
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.