Tovolahy iray tokony ho 25 taona, ireny mpibata entana ireny indray no hitan’ny mponina tao Atsimontsena Sabotsy, Antsirabe maty an-tatatra. Ankizy sendra nandalo no nahita ny razana nitsirara tao an-tatatra. Niantso ny manodidina izy ka efa vatana mangatsiaka no hitan’ny olona ny marainan’ny talata 21 aprily lsa
teo. Notombanan’ny olona fa efa ny alina no nianjerany tao an-tatatra. Raha ny firesaky ny manodidina dia mpimamo ity tovolahy ity ary saika isan’andro io fisotroany io. Heverian’ny maro fa nanao diso bosaka izy ka nianjera tany an-tatatra ka tsy tafarina intsony. Ny fanadihadiana no ahafantarana ny tena marina. Efa eo an-tanan’ny mpitandro filaminana raha teo ny fanadihadiana.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.