Actualités

Fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina Efa azo ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana


  • Talata 21 Aprily 2015

Nisy indray ny fakan-kevitra avy amin’ny vahoaka nataon’ny seranan-tsambon’i Toamasina tafiditra amin’ilay fanitarana atao sy amin’ny fahazoany ilay fahazoan-dalana ara-tontolo iainana amin’ny fanamboarana. Tao amin’ny lapan’ny faritra atsinanana ny alakamisy teo no nanaovana izany, nanasana ireo solontenam-bahoaka sy ireo fiarahamonim-pirenena ary ireo talem-paritra samy hafa ihany koa.

 


 

 Nandritra ny adihevitra natao dia fantatra fa betsaka amin’ireo milaza azy ho fiarahamonim-pirenena no te « hibizina » ao anatin’ilay fanitarana, ka mijoro ho mpanohitra ny fanatsarana hatao. izay hiteraka asa ho an’ny tanora malagasy, izay efa manomboka ataon’ny seranan-tsambo ankehitriny, amin’ny filazana hananganana komity mpanara-maso izay karamainy isaky ny mivory sy hakana soso-kevitra. Tetikasa goavana hitondra ny seranan-tsambon’i Toamasina eo amin’ny sehatry ny fifaninana aty amin’ny fari-dranomasina indiana sy afrika atsinanana anefa ny asa atao, ary efa vonona amin’ny vola 300 tapitrisa euros entina amin’ny asa atao rehetra ihany koa ny JICA mpiara-miombona antoka amin’ny SPAT ao anatin’ny asa. An-kilan’izay, araka ny fanazavana nataon’ny SPAT ihany, dia hanomboka amin’ny taona ho avy io ny asa fanitarana rehetra, ka voalohany atao amin’izany ny fanalana ireo vatoara eo amin’ny faritra hototofana, ka ambolena amin’ny toerana efa voatokana amin’izany. Any amin’ny taona 2020 any no heverina ho vita ny asa rehetra ka hanana toerana mirefy 75ha azo hiasana sy andraisana sambo goavana ary hitobian’ny entana maro ny seranan-tsambon’i Toamasina izay mbola lavitra noho ny ao Maurice izay efa manana seranana 300ha ankehitriny.

 


 

Rakoutou

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT