Napetraka tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 18 aprily lasa teo ny vatofototra ho fananganana ny biraom-paritry ny harena ankibon’ny tany sy ny rantsan’ny BCMM na ny “Birao miadidy ny sora-pananana momba ny harena ankibon’ny tany” ao Vakinankaratra.
Folo taona teo ho eo no nijoroany tao Antsirabe saingy hatramin’izay dia nanofa trano hatrany ity biraom-panjakana ity. Ny minisitra Joéli Valérien Lalaharisaina mihitsy moa no tonga tany an-toerana nitarika ny lanonana. Nambarany fa tafiditra amin’ny politikam-panjakana amin’ny fanapariaham-pitondrana sy ny fanapariaham-pahefana izao hetsika izao ka izay no anton’ny fanorenana. Anisan’ireo faritra manana karazana vatosoa i Vakinankaratra ka rariny raha misy ny birao misahana ny fanomezana ny sora-pananana, hoy ny minisitra. Eo ihany koa ny maha afovoany an’Antsirabe, izay tsy maintsy lalovan’ny avy any amin’ny faritra atsimo sy ny andrefana azy ka ho mora kokoa ny fanaraha-maso ny momba ny vato eto. Anisan’ny asan’ity birao ity moa ny fampanarahan-dalàna ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany sy ny famoahana ireo fahazoan-dalana isan-karazany amin’ny fitrandrahana ary ny fanaraha-maso ireo fitrandrahana tsy ara-dalàna. Eo ihany koa ny fikarakarana ny taratasy famoahana entana hivoaka an’i Madagasikara, izay efa azo atao aty an-toerana. Haharitra 6 volana ny asa fanorenana.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.