• Zoma 24 Aprily 2015
Actualités.Fiara vaventy mivezivezy amin’ny andro atoandro Namerina indray ny fitohanana eny Anosizato sy Antanimenakely

Niverina indray ny fitohanana eny amin’iny faritra Anosizato sy Antanimenakely iny. Efa ho herinandro mahery izao no niainan’ny mponina Atsimondrano izany, hany ka tsy vitsy ireo voatery mandeha dia an-tongotra rehefa tsy tafala amin’ny 5 ora maraina any an-tokantranony.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 24 Aprily 2015
Actualités.Lalana Ambohitrarahaba- Antanandrano Mitentina 60 tapitrisa ariary ny fanamboarana

60 tapitrisa ariary no tetibola natokan’ny Madagascar Immobilier Ravelonanosy (MIR) entina hanarenana ny lalana mirefy 3 km mampitohy an’Ambohitrarahaba sy ny fokontany Antanandrano ao amin’ny kaominin’ Ankadikely Ilafy

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 24 Aprily 2015
Actualités.Tovovavy mpiasa an-trano Tratra nangalatra 300 000 Ariary

Tovovavy mpiasa an-trano 19 taona noentina toy ny zanaka tao an-trano nitokisana no sarona teo am-pangalarana vola telo hetsy Ariary napetraka tao anaty « armoire » niaraka tamina lamba maromaro sy kiraro, afak’omaly hariva, tao Tsimenatse Toliara. Raha vao nanontanian’ny tompon-trano avy niasa izy amin’ity halatra nataony dia nitsoaka.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 24 Aprily 2015
Actualités.Tetibolam-panjakana Sorabola fanampiana 1,5 miliara dolara ao anatin’ny 5 taona

Mbola mijanona ho fifanarahana ambony latabatra hatreto ny fanampiana ny tetibolam-panjakana avy amin’ireo mpamatsy vola mahazatra iraisam-pirenena. Fampanantenana izay miankina betsaka amin’ny fahavononan’ny mpitondra fanjakana manonitra ireo hadisoana niseho teto amin’ny firenena nanomboka tamin’ny taona 2009

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 23 Aprily 2015
Actualités.Areti-maso mirongatra Vokatry ny fako sy loto eran’ny tanàna

Mamely ny tanànan’i Toamasina ankehitriny ny areti-maso sokajian’ny mpitsabo ho «maladie conjonctivite virale». Manodidina ny 30 hatramin’ny 70 ireo olona manatona ny toeram-pitsaboana ao anatin’ny herinandro, araka ny fanazavan’ny dokotera Benessy Harisson. Miloko mena sy mivonto ny hodi-maso ary miteraka

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 23 Aprily 2015
Actualités.Nosy Sainte Marie Misy mandroba any anaty ranomasina

Nofitahin’ny mpandroba ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny Asa tanana ka lasan’izy ireo ny volamena sy tafondro, izay harem-bakoka Malagasy. Miantso vonjy ramatoa Brigitte Rasamoely, minisitry ny Kolontsaina sy ny Asa tanana fa misy mandroba ny harem-bakoka anaty ranomasina any amin’ny nosy Ste Marie

Hamaky ny tohiny
FTT