Actualités

Areti-maso mirongatra Vokatry ny fako sy loto eran’ny tanŕna


  • Alakamisy 23 Aprily 2015

Mamely ny tanŕnan’i Toamasina ankehitriny ny areti-maso sokajian’ny mpitsabo ho «maladie conjonctivite virale». Manodidina ny 30 hatramin’ny 70 ireo olona manatona ny toeram-pitsaboana ao anatin’ny herinandro, araka ny fanazavan’ny dokotera Benessy Harisson. Miloko mena sy mivonto ny hodi-maso ary miteraka

 

 aretin’andoha ny fisehony. Voatsabon’ny mpisabo ao anatin’ny 3 andro izy io saingy tena ilaina ny fikajiana ny fahadiovana amin’ny ankapobeny. Takiana ihany koa anefa ny fihinanana ireo hery fiarovana toy ny voankazo, ireo vokatra avy amin’ny ronono sy ny voamaina. Nanamarika moa ny tale jeneralin’ny OMSI Toamasina fa vokatr’ireo fako sy ny loto manenika ny tanàna no mahatonga izao karazana aretina izao. Raha izany tokoa no izy dia ahiana handrakotra ny firenena Malagasy ity areti-maso ity satria tena maloto sy difotry ny fako ny ankamaroan’ny tanàna eto Madagasikara.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT