Nofitahin’ny mpandroba ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny Asa tanana ka lasan’izy ireo ny volamena sy tafondro, izay harem-bakoka Malagasy. Miantso vonjy ramatoa Brigitte Rasamoely, minisitry ny Kolontsaina sy ny Asa tanana fa misy mandroba ny harem-bakoka anaty ranomasina any amin’ny nosy Ste Marie
. Voafaritr’io antsoina hoe harem-bakoka io avokoa na sambo rendrika miaraka amin’izay ao anatiny na potika sambo rendrika na tanàna lasa any anaty ranomasina. Manana lanja ara-toekarena lehibe ny harem-bakoka, indrindra ho an’i Ste Marie izay efa anisan’ny faritra arovan’ny Unesco. Araka ny didim-pitondrana tamin’ny taona 1982 dia tsy azo atao ny miditra amin’ny toerana voaaro toy ny harem-bakoka anaty ranomasina raha tsy mahazo alalana avy amin’ny minisitera tompon’andraikitra. Didy izay mbola amafisin’ny fifanarahan’ny Unesco tamin’ny taona 2001. Ny didy fampiharana ny lalàna mandidy ny fiarovana ny harem-bakoka anaty ranomasina izay nosoniavin’Atoa Hery Rajaonarimampianina, Filoham-pirenena malagasy ny 9 janoary tamin’ity taona ity dia mandrara avokoa ny fidirana amin’ireny fidirana amin’ny faritra voaaro ireny.
Fiangaviana nisy fitaka
Noho ny fifanarahana taorian’ny fiangavian’ireo masoivohon’ny firenen-dehibe sasantsasany eto amintsika anefa dia nasiam-panovana ireo lalàna mandrara rehetra ireo mba nahafahana nanome alalana ny orinasan-tserasera « October film » hanao fanadihadiana any anaty ranomasin’i Ste Marie ny 20 martsa 2015. Nandritra ny enina herinandro no namelana azy ireo haka sary tany ambany ranomasina tany. Ny 15 aprily teo anefa dia nasain’ny minisitera najanona ny fakana sary nataon’ny « october film » satria nambaran-dramatoa minisitra fa nampiasa « moto pompe » ireto milaza ho mpaka sary ireto nitroka ny harena samihafa tany ambany tany ary efa nisy naondrana any ivelany ny sasany toy ny volamenan’ny canon sy ny boulet tany anaty sambo rendrika tany. Tezitra noho io fampiatoana azy io ny « October film » ka voalaza fa nitondra ny raharaha eo amin’ny fitsarana. Etsy an-kilany dia miantso ny fiaraha-mientan’ny governemanta sy ny Malagasy rehetra mba hiaraka hiaro ny harem-pirenena malagasy ny minisiteran’ny Kolontsaina izay efa nitaraina tany anivon’ny Unesco ihany koa. Ny somary nanaitra kely amin’ity tantara ity dia ny naneken’ny minisiteran’ny Kolontsaina nanao ilay fifanarahana izay nandika ny lalàna mifehy ny fiarovana ny harem-bakoka anaty ranomasina na dia fifanarahana hikatsahana tombontsoa izao aza. Faharoa mahagaga ihany koa dia voalaza omaly fa mbola manohy ny fisitrihana any anaty ranomasina any Ste Marie ihany ireto voalaza fa mpandika lalàna sy mpangalatra ireto.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.