60 tapitrisa ariary no tetibola natokan’ny Madagascar Immobilier Ravelonanosy (MIR) entina hanarenana ny lalana mirefy 3 km mampitohy an’Ambohitrarahaba sy ny fokontany Antanandrano ao amin’ny kaominin’ Ankadikely Ilafy
. Omaly no nanomboka ny asa ary haharitra 60 andro eo ho eo ny fanamboarana. Ankoatra ny famelomana ireo lakandrano amin’ny sisin-dalana dia hatao tara sy rarivato ny arabe arakaraka ny toetry ny lalana. Andro aman’alina no hanaovana ny fanamboarana ary mpiasa 20 lahy no mifarimbona manao ny asa. « Noho ny fangatahan’ny fiarahamonina no nahatonga ny orinasa MIR nandray ny andraikitra hanao ity lalana ity ary tsapany loatra ny fahasahiranan’ireo mpampiasa azy ka izany no iezahanay mamita ny asa malaky faran’izay azo atao », hoy Atoa Ravelonanosy Bruno, tompon’ny orinasa MIR. Ankoatra ny fanamboaran-dalana dia efa an-dalam-pahavitana ihany koa ny asa fanarenana ireo sekolim-panjakana ambaratonga voalohany ao anatin’ny kaominina.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.