Tovovavy mpiasa an-trano 19 taona noentina toy ny zanaka tao an-trano nitokisana no sarona teo am-pangalarana vola telo hetsy Ariary napetraka tao anaty « armoire » niaraka tamina lamba maromaro sy kiraro, afak’omaly hariva, tao Tsimenatse Toliara. Raha vao nanontanian’ny tompon-trano avy niasa izy amin’ity halatra nataony dia nitsoaka.
Nifanenjehana eran’ny tanàna ka tratra ary mbola sarona teny aminy ny vola. Nisoroka mafy ny fitsaram-bahoaka kosa ilay mpampiasa azy, satria efa nisy andian’olona niakatr’afo nidaroka azy, raha tsy izany dia tantara hafa no nitranga. Rehefa nofotorana ity tovovavy mpiasa an-trano ity dia nilaza fa bevohoka roa volana ka hanesorany ny tsaika ao an-kibony ny vola nangalariny, ary ny lamba sy kiraro kosa saika homeny ny rain-janany.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.