Mbola mijanona ho fifanarahana ambony latabatra hatreto ny fanampiana ny tetibolam-panjakana avy amin’ireo mpamatsy vola mahazatra iraisam-pirenena. Fampanantenana izay miankina betsaka amin’ny fahavononan’ny mpitondra fanjakana manonitra ireo hadisoana niseho teto amin’ny firenena nanomboka tamin’ny taona 2009
. Tsy latsaky ny 70%-n’ny tetibolam-panjakana Malagasy ny fanampiana homen’ny Tahirimbola iraisam-pirenena raha ny zava-misy hatramin’izay teto Madagasikara. Mitentina 45 tapitrisa dolara kosa no hany vola fanampiana natolotry ny FMI ny fitondrana Rajaonarimampianina tamin’ny volana jona 2014. Fantatra ihany koa fa manodidina ny 1,5 miliara dolara no sorabola fanampiana ho azon’ny firenena Malagasy ao anatin’ny 5 taona, izany hoe manomboka amin’ity taona 2015 ity hatramin’ny taona 2020. Mari-bola mitovy amin’ny fifanarahana efa azon’ny fitondrana Ravalomanana tamin’ny faran’ny taona 2008, araka ny fanazavan’i Serge Zafimahova, mpikambana ao amin’ny «Cercle de Développement et d’Ethique».
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.