• Talata 28 Aprily 2015
Actualités.Lavanty ao amin’ny Seranan-tsambon’i Toamasina Hanomboka ny alatsinainy 4 mey

Hanomboka ny alatsinainy izao ny ampahany voalohany amin’ity taona ity, mikasika ny fanaovana lavanty eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina, araka ny fanazavana nomen’ny mpanao lavanty sy vadintany Me Rasamimaka

Hamaky ny tohiny
  • Talata 28 Aprily 2015
Actualités.Mpianatra ho polisy Vao niditra dia maty

Nisesisesy indray tato ato ny fahafatesana mpianatra any amin’ireny toeram-panofanana ho mpitandro filaminana ireny mandritra ny fiofanana. Nitrangan’izany tao amin’ny Akademia miaramila sy ny sekolin’ny zandary ary dia nanao ny nataony koa ny sekolin’ny polisim-pirenena teto Antsirabe

Hamaky ny tohiny
  • Talata 28 Aprily 2015
Actualités.Nanondrana indray ny Airmad Tavela ao Ivato ny entana, ny mpandeha lasa any Tolagnaro

Zava-doza indray no nafitsoky ny Air Madagascar ny alatsinainy tolakandro teo. Raha tonga soa aman-tsara tany Tolagnaro ireo mpandeha tao anatin'ny fiara-manidina ATR, akory ny hatairan'ireo mpandeha fa tsy tafiditra tao anatin'ilay fiaramanidina nitondra azy ireo ny entana

Hamaky ny tohiny
  • Talata 28 Aprily 2015
Actualités.Oniversiten’i Toliara Lasa oniversite maty nanomboka omaly

Efa nandalo ambaratongam-panjakana maro ny fikaroham-bahaolana, hatrany amin’ny fitsarana, taorian’ny fitarainana samihafa natao, kanefa tsy voavaha hatramin’izao. Mitokona ireo mpampianatra sy mpandraharaha, lasa oniveriste maty nanomboka omaly alatsinainy ny oniversiten’i Toliara, noho ny fibodoan’ireo andian’olona mangalatra tany mirongo fitaovam-piadiana izay mizara ny tanin’ireo

Hamaky ny tohiny
  • Talata 28 Aprily 2015
Actualités.Faha-50 taonan’ny laboratoire des radio Isotopes Santarina amin’ny seho goavan’i Njakatiana

Mankalaza ny faha-50 taona niorenany ny laboratoire des radio Isotopes, ivontoerana iray misahana ny resaka fikarohana sy fanofanana eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika

Hamaky ny tohiny
  • Talata 28 Aprily 2015
Actualités.Tsy fandriampahalemana any Betroka Mirongatra noho ny politika tsy mitsinjo lavitra

Niaiky ny tsy fandriampahalemana amin’izao fotoana izao manerana ny nosy ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas filohan’ny vaomieran’ny fiarovana sy fandriampahalemana ao amin’ny Antenimieram-pirenena voafidy tany Betroka. Vokatry ny politika tsy misy fitsinjovana ny lavitra amin’ity resaka

Hamaky ny tohiny
FTT