Efa nandalo ambaratongam-panjakana maro ny fikaroham-bahaolana, hatrany amin’ny fitsarana, taorian’ny fitarainana samihafa natao, kanefa tsy voavaha hatramin’izao. Mitokona ireo mpampianatra sy mpandraharaha, lasa oniveriste maty nanomboka omaly alatsinainy ny oniversiten’i Toliara, noho ny fibodoan’ireo andian’olona mangalatra tany mirongo fitaovam-piadiana izay mizara ny tanin’ireo
mpampianatra mpikaroka ao Maninday vita « borne » ny taona 1992, amin’ny fokonolona efa mananika ny 6 000 avy amina fokontany folo manodidina. « Miditra sy mivezivezy ao anaty « Campus » miaraka amin’ny basy, famaky, lefona, antsibe, ireo mpandroba tany. Misy amin’ireo taninay no voavoly, kanefa hongotan’ireo mpibodo tany. Misy amin’izy ireo sahy manorina trano akaikin’ny efitrano fianarana. », hoy ny solontenan’ireo mpampianatra mpikaroka tamin’ny mpanao gazety.
Tsy mandray andraikitra ny fanjakana
Mihorohoro ireo mpampianatra tompon-tany satria rahonana vonoina sy hotapahin-doha hatramin’ny filohan’ny oniversite. « Noho ny tahotra ny ainay ho faty satria tsy mandray andraikitra ny fanjakana, dia nanapa-kevitra izahay mpampianatra sy ireo mpandraharaha eto amin’ny oniversiten’i Toliara, taorian’ny fivoriambe natao ny alarobia lasa teo, fa mihato ny fampianarana mandritra ny herinandro, ary atao oniversite maty ny eto Maninday Toliara, mba hanairana ny sain’ny mpitondra handray andraikitra amin’ny fihoaram-pefy ataon’ireo mpangala-tany », hoy ireo mpampianatra mpikaroka hentitra. Ny mahagaga, hoy ny filohan’ny onivesiten’i Toliara, ny Pr Dina Alphonse, dia ny tanin’ireo mpampianatra mpikaroka ihany no alain’ireto andian’olona.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.