Actualités

Nanondrana indray ny Airmad Tavela ao Ivato ny entana, ny mpandeha lasa any Tolagnaro


  • Talata 28 Aprily 2015

Zava-doza indray no nafitsoky ny Air Madagascar ny alatsinainy tolakandro teo. Raha tonga soa aman-tsara tany Tolagnaro ireo mpandeha tao anatin'ny fiara-manidina ATR, akory ny hatairan'ireo mpandeha fa tsy tafiditra tao anatin'ilay fiaramanidina nitondra azy ireo ny entana

 

. Ny entana teny an-tanana (baggage à main) ihany no tonga. Hatreto tsy fantatra izay tena antony. Samy mametra-panontaniana ireo mpandeha ? Midika ve izao tranga izao fa miaina amin'ny fitavozavozana ny tompon’andraikitra ao amin'ity kaompaniam-pitaterana ana habakabaka ity.  Betsaka ny voka-dratsin'izany. Maro amin'ireo entan'ny mpandeha no voalaza fa  ilaina andavanandro tokony hampiasaina kanefa dia tsy hita. Voatery  nisahirana mbola nividy izay tokony hilaina izy ireo. Mateti-pitranga ny olana toy izany any Tolagnaro raha tsy hilaza afa-tsy ny fahasimbana nisy teo amin'ny sidina hafa, iray volana lasa izay. Tsaroana ihany koa ireo razana nifamadika, ka razana tokony ho nalefa any Toliara no lasa tany Kenya.

OTH

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT