Nisesisesy indray tato ato ny fahafatesana mpianatra any amin’ireny toeram-panofanana ho mpitandro filaminana ireny mandritra ny fiofanana. Nitrangan’izany tao amin’ny Akademia miaramila sy ny sekolin’ny zandary ary dia nanao ny nataony koa ny sekolin’ny polisim-pirenena teto Antsirabe
. Ny alahady 26 aprily moa ny daty voatondro hidiran’ireo mpianatra ho polisy ireo ka nanomboka tamin’ny 2 ora no fotoana handraisana ireo mpianatra. Toy ny mahazatra dia efa miandry eny am-bavahady ny mpampiofana ao amin’ny sekoly manao ny karazana batisa fandraisana amin’ny fombafomban’ny mpitandro filaminana rehetra mandray mpiofana. Voalaza fa mbola miaraka amin’ny entany ilay mpianatra dia manao “Marche à canard” miditra ny faritry ny sekoly ka mamonjy ny kianja malalaka. Asa na noho ny harerahana avy nandeha ny inona fa dia safotra tsy nahatsiaro tena ranamana ary nindaosin’ny fahafatesana avy hatrany io alahady io. Raha ny fantatra dia vao 22 taona monja ilay zazalahy ary avy any Fianarantsoa ny fiaviany. Nambaran’ny tompon’andraikitra moa fa efa tsy salama avy any amin’ny niaviany ity zazalahy ity ka izay no nahatonga ny loza. Tsy ampy ve izany ny fitiliana …?
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.