Hanomboka ny alatsinainy izao ny ampahany voalohany amin’ity taona ity, mikasika ny fanaovana lavanty eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina, araka ny fanazavana nomen’ny mpanao lavanty sy vadintany Me Rasamimaka
Mahefalahy misahana izany amin’ity taona ity tao amin’ny birao fiasany Anjoma. Miisa 68 ny entana (lots) hatao lavanty ity ka miisa 50 amin’izany dia fiarakodia, miisa 28 kosa ny kaontenera misy entana. Manomboka ny alatsinainy 04 hatramin’ny alarobia 06 mey izao ny fijerena ireo entana ireo eo anivon’ny toerana malalaka antsoina hoe SANTATRA ao amin’ny seranan-tsambo. Mandritra izay koa no handraisana ny tolotra ataon’ireo mpanao lavanty izay atao ao anaty valopy mihidy miaraka amin’ireo antontan-taratasy mifanaraka izany alaina eo anivon’ny biraon’ny Me Rasamimaka Mahefalahy, miaraka amin’ny fandoavana ny 10% ny tomban’ny entana. Ny alarobia 06 mey amin’ny 04ora ny farafanaterana ny tolotra ho an’ireo mpiady lavanty ka ny alakamisy 07 mey no mivory ny kaomisaonina ahitana ny MICTSL – ny Bianco, ny Ladoany, ny SMMC, ny Vadintany mpanao lavanty, ny Antenimieran’ny varotra Toamasina, ary amin’io alakamisy io ihany no mivoaka ny lisitr’ireo 03 voalohany nahazo ny entana nanao ambony indrindra tamin’ireo mpifaninana. Mandritra izay koa ny fandoavana ny 14% ambiny amin’ny vidiny nataon’ny mpifaninana amin’ny vadintany mpanao lavanty, izay tsy maintsy aloa raha tsy izany ny manaraka azy no mahazo ny entana. Sady fampidiram-bolam-panjakana izao lavanty atao izao, no fanamaivanana ny fitehirizan’entana eo anivon’ny seranan-tsambo ihany koa nefa azon’ny tompony atao ny maka ny entany amin’ny fandoavana ny haba sy hetra rehetra alohan’ny fivoahan’ny lisitry ny mpiady nahazo izany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.