Actualités

Tsy fandriampahalemana any Betroka Mirongatra noho ny politika tsy mitsinjo lavitra


  • Talata 28 Aprily 2015

Niaiky ny tsy fandriampahalemana amin’izao fotoana izao manerana ny nosy ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas filohan’ny vaomieran’ny fiarovana sy fandriampahalemana ao amin’ny Antenimieram-pirenena voafidy tany Betroka. Vokatry ny politika tsy misy fitsinjovana ny lavitra amin’ity resaka

 

fandriampahalemana ity no nahatonga izany, araka ny nambarany. Nambarany aza fa tsy ho vitan’ny mpitandro filaminana irery  intsony ny mifehy ity tranga-javatra ity fa ilana ny fandraisan’ny rehetra anjara. Tena mora nandairan’ny kolikoly ny mpitandro filaminana, hoy izy, satria natao an-jorom-bala foana hatramin’izay. Nanome soso-kevitra  ny hanatevenana ny fitaovam-piasan’ireo mpitandro filaminana ity solombavambahoaka ity ary koa ny  hanomezana antoka ny ankohonan’ireo lavo am-perinasa fa hotsinjovina amin’ny fiainany manontolo. Tsy ampy koa ny fanantenana ifotony ny vahoaka amin’ny fampahafantarana azy ny resaka fandikan-dalàna mety hitranga ka tena mila fanabeazana matotra izany, hoy izy. Mahantra noho ny fahasahiranana misy ny vahoaka sy  ny fahefa-mividy marefo ka mirona any amin’ny fandikan-dalàna avy eo. Na izany aza, mangataka ny tenako, mba hihenjanan’ny fitondrana mahefa mba tsy hidiran’ny fanjakan’i Baroa eto amintsika, hoy ny depiote Nicolas. Nambarany tamin’io omaly io koa fa efa nandrosoany vahaolana ny mpitondra tamin’ny alalan’ny famoahana ny boky ny tsy fandriampahalemana misy eto Madagasikara.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT