Actualités

Faha-50 taonan’ny laboratoire des radio Isotopes Santarina amin’ny seho goavan’i Njakatiana


  • Talata 28 Aprily 2015

Mankalaza ny faha-50 taona niorenany ny laboratoire des radio Isotopes, ivontoerana iray misahana ny resaka fikarohana sy fanofanana eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika

 

. Ho fanokafana ny fankalazana dia fampisehoana goavana hiarahana amin’ny tarika Njakatiana no hisantarany izany ny 25 mey ho avy izao eny Antsahamanitra. Hisokatra manomboka amin’ny 8 ora maraina ny vavahady ary amin’ny 1 ora sy sasany folakandro no hiaka-tsehatra i Njakatiana. Haharitra ora enina eo ho eo ny fampisehoana hotanterahina horavahan’ireo hetsika maro samihafa tsy hampoizina efa nahafantarana an’i Njakatiana hatramin’izay. Nosafidian’ny mpikarakara manokana ity mpanakanto ity noho izy manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ankoatra izay dia anisan’ny mpanakanto malagasy tsy lefy laza izy no sady mbola tena be mpankafy tokoa. Tsiahivina moa fa anisan’ny asa sahanin’ity ivontoerana iray ity ny fikarohana momba ny fanatsarana ny nofon-tany sy ny voka-pambolena. Tsy latsa-danja amin’ireo fampihenana ny etona karbona sy ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT