• Zoma 29 Mey 2015
Actualités.AIR MADAGASCAR Misy orinasa malagasy hifaninana aminy

Ho fampiroborobona ny fitaterana ana habakabaka ato anatiny, dia re izao fa misy orinasam-pitaterana an'Habakabaka tsy mianikina iray izay mitondra anarana malagasy manomboka mampiditra mpiasa ao aminy ankehitriny.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 29 Mey 2015
Actualités.Dian’ny praiminisitra any Frantsa Handeha tsy handeha... tsy fantatra intsony

Na dia zon'ny ambanilanitra tanteraka aza ny mahalala izay dia ataon'ny mpitondra fanjakana ambony eto amintsika dia indraindray misy ny mandeha tsy milaza mihitsy. Soa ihany fa mbola eo ilay fitenenana avy any atsimo atsinanana izay

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 29 Mey 2015
Actualités.ANTANANANARIVO RENIVOHITRA 39 tapitrisa Ar ny vola holaniana hanarenana ny tanàna

Manomboka sahady ny fiomanana amin’ny fetin’ny 26 jona ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Fanarenana iray manontolo ny zaridainan’Antaninarenina no nisantarany izany omaly, famatsiam-bola avy tamin’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola amin’ny alalan’ny CCPREAS

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 29 Mey 2015
Actualités.ADY TANY AO AMBOROVY Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny vahoaka sy ny zandary

Nitrangana ady tany indray ny tao amin’ny fokontany Amborovy izay nampifanolana ireo vahoaka izay milaza azy ho tompon-tany sy ireo zandary mipetraka ao. Raha ny tantaran’ireo vahoaka izay milaza fa tompon’ny tany ao dia ny taona 1994 izy ireo no efa nanana an’io tany io ka efa saika manana taratasy ara-dalàna ny ankamaroan’izy ireo.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 28 Mey 2015
Actualités.Belalanda -Toliara Omby miisa 60 lasan’ny dahalo

Tao anatin’ny tapa-bolana dia saika isan’andro, afa-tsy ny andro sabotsy ihany, no handrenesana fanafihan-dahalo arahina fandrobana ao Belalanda, kaominina iray 7 km avaratry ny tanànan’i Toliara. Tafakatra 60 ny omby efa lasan’ireo malaso am-polony mirongo basy mahery vaika, hoy ny vaovao voaray. Raha ny fanazavan’ireo mponina dia andrasan’ireo dahalo eo am-baravaran’ny tranony amin’ny vavabasy ireo olona tafihany.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 28 Mey 2015
Actualités.Antidahy maro sipa Sady very fananana no namoy ny ainy

Malaza ho milalao vehivavy ity raim-pianakaviana mpandray fisotroan-dronono ao Ambatondrazaka ity. Rehefa mandray vola ny tenany dia lasa mamonjy farmasia mividy fanafody mampatanjaka sy mitady vehivavy hiaraka hanao firaisana ara-nofo aminy.

Hamaky ny tohiny
FTT