Actualités

AIR MADAGASCAR Misy orinasa malagasy hifaninana aminy


  • Zoma 29 Mey 2015

Ho fampiroborobona ny fitaterana ana habakabaka ato anatiny, dia re izao fa misy orinasam-pitaterana an'Habakabaka tsy mianikina iray izay mitondra anarana malagasy manomboka mampiditra mpiasa ao aminy ankehitriny.

 

 

Tsy dia mbola  andrenesam-baovao  ofisialy firy ity tetik'asa ity  fa siosion-dresaka fotsiny no nahafantarana  fa hampitohy tsy miato ireo tanan-dehibe ato anatiny ity kompaniam-pitanterana ana habakabaka ity ary mbola siosion-dresaka ihany koa no  nahafantarana fa fiaramanidina  " Embraer" no hampiasain'ity orinasa ity. Mahazaka mpandeha 70 ka hatramin’ny 80 ity fiaramanidina ity.

Efa manana mpiasa noho izany ity orinsa ity izay nahita ny tolotra  tamin'ny fahita   lavitra tsy  miankina teto  an-drenivohitra. Tsy mbola  fantatra mazava ihany koa izay tena tompon'ity orinsa ity fa ny azo antoka dia Malagasy. Hanana mpifaninana anaty manomboka izao indray izany ny kompaniam-panjakana malagasy Air Madagascar fa ny  tena  mahalasa saina ny  mpiasa  ao amin'ity kompania malagasy ity dia  toa misy  mpiasan'ny Air Madagascar  hiasa   ao  amin'ity orinasa  vaovao ity. Raran'ny  fitsipika anatin'ny orinasa  Air Madagascar anefa izany toe-javatra izany fa  dia ho hita eo ihany  ny ho tohiny. Farany dia  mety ho vaovao  tsy ampoizina  ho an'ny  mpanara-baovao ihany ny  mety handrenesana ny anaran'ireo tena tompon'ity orinasa ity na dia efa azo vinavinaina ihany aza. Anaran'olon-kafa mantsy hono no misoratra  ho mpitantana ity orinasa  vaovao ity. Somary nanaitra ihany ny hoe ao anatin’ny fotoana maha sahirana ny Air Madagascar no mipoitra tampoka ity kaompaniam-pitaterana ana habakabaka tsy mainkina hifaninana aminy ity.


Andry Ratovo  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT