Actualités

Antidahy maro sipa Sady very fananana no namoy ny ainy


  • Alakamisy 28 Mey 2015

Malaza ho milalao vehivavy ity raim-pianakaviana mpandray fisotroan-dronono ao Ambatondrazaka ity. Rehefa mandray vola ny tenany dia lasa mamonjy farmasia mividy fanafody mampatanjaka sy mitady vehivavy hiaraka hanao firaisana ara-nofo aminy.

 

Toa tsy nahataitra ireo zanany intsony ny fihetsiny. Zava-doza anefa no niseho ny herinandro lasa teo fa ny vatana mangatsiakan’ingahibe miboridana sy mbola misy ranon’aina no novantanin’ireo zanany. Very ny vola sy ny findainy. Tany amin’ireo vehivavy miaraka aminy no nipetrahan’ny ahiahin’ny ankizy. Niakatra teny anivon’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha ka ny faran’ny herinandro teo no sarona tany amin’ny iray amin’ireo vehivavy miaraka aminy ny findainy. Mbola mitohy kosa hatreto ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana. Raha ny fahitan’ny mpitsabo azy dia vokatr’ilay fanafody nampiasaina tamin’ny firaisana ara-nofo izay nataony no nahafaty an’Ingahibe.

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT