Manomboka sahady ny fiomanana amin’ny fetin’ny 26 jona ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Fanarenana iray manontolo ny zaridainan’Antaninarenina no nisantarany izany omaly, famatsiam-bola avy tamin’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola amin’ny alalan’ny CCPREAS
. Raha ny fanazavana azo dia esorina avokoa ny voninkazo efa maina sy ratsy ao amin’ity zaridaina ity ary hakarina ho 40 sm ny haavon’ny sisiny miampy fefy vy mikiloadoaka. Haharitra 30 andro ny asa fanamboarana ka mitentina 39 tapitrisa Ar ny vola holaniana amin’izany miampy ireo fotodrafitrasa hafa manodidina an’Antananarivo. Tanjona ny hanomezana endrika ny tanana, raha araka ny fanazavana azo hatrany, indrindra amin’ny toerana misy biraom-panjakana toa an’Antaninarenina. Mikasika ny toerana toa an’Ankadimbahoaka izay nandrodanana trano manodidina ny 70 kosa dia fantatra fa havaozina hanjary ho toeram-pitsangatsanganana mahafinaritra izy io, entina hanomezana endrika ny tanana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.