Nitrangana ady tany indray ny tao amin’ny fokontany Amborovy izay nampifanolana ireo vahoaka izay milaza azy ho tompon-tany sy ireo zandary mipetraka ao. Raha ny tantaran’ireo vahoaka izay milaza fa tompon’ny tany ao dia ny taona 1994 izy ireo no efa nanana an’io tany io ka efa saika manana taratasy ara-dalŕna ny ankamaroan’izy ireo.
Taty aoriana anefa dia tonga ny zandary haka tany satria dia ity farany manana taratasy ara-dalàna sy ara-panjakana milaza fa an’ny zandarimariam-pirenena ny tany. Tsy nanaiky anefa ireo mponina mipetraka manodidina io toerana misy olana io ka dia raikitra ny ady. Ireo olona sasany izay mipetraka manodidina io tany io nanamafy fa tanim-panjakana no misy an’ireo olona ireo ary tokony handinika koa ireo mpividy tany fa efa an-taonany no nisoratra tamin’ny zandary io tany ao Amborovy io. Nametraka takelaka ny avy eo anivon’ny zandary milaza fa azy ireo ny toerana ka izay mila fanazavana dia manatona ny tompon’andraikitry ny zandary misahana ny fitantanana ny fananam-panjakana. Ny lehiben’ny zandary ao Mahajanga dia nanazava fa tsy azo atao ny maka ny tanim-panjakana satria dia tany holovana izy io ka tsy tokony halaina an-keriny. Etsy an-daniny, tsy hanaiky ireo olona efa nanangana trano eo amin’io tany io ny fianakaviamben’ny zandary fa hampiakatra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.