Na dia zon'ny ambanilanitra tanteraka aza ny mahalala izay dia ataon'ny mpitondra fanjakana ambony eto amintsika dia indraindray misy ny mandeha tsy milaza mihitsy. Soa ihany fa mbola eo ilay fitenenana avy any atsimo atsinanana izay
manao hoe "gnolo laha tsy re amin'ny handehanany ny anton-diany da ho re avao amin'ny fipodianany". Afak'omaly dia re fa saika hihazo an'i Frantsa ny praiminisitra lehiben'ny governemanta Jean Ravelonarivo. Halina izy no tokony ho nandeha, saingy tamin'ny faran'ny tolak'andro omaly ihany dia nisy vaovao hafa fa tsy lasa indray. Ny hany fantatra dia efa ny 26 mey teo no nialoha lalana ny praiminisitra Atoa Tiana Rasamimanana talen'ny kabinetran'ny Primatiora nisava lalana.Tsy fantatra ihany koa izay tena anton-dian'ny lehiben'ny governemanta any Frantsa fa namana mpiara-miasa any an-toerana no nahafantarana fa tokony ho nihaona tamin'ny filohan'ny Antenimieran-doholona frantsay sy mpanao politika frantsay hafa ny praiminisitra fa noho ny toe-draharaha politika misy ankehitriny angamba no tsy nahatontosa ny dia. Raha tsy misy antony lehibe tokoa moa, inona no atao any fa mandany volam-panjakana fotsiny. Ny fanjakana frantsay izay fantatra fa manaraka akaiky ny toe-javatra misy eto amintsika tokoa ankehitriny.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.