Tao anatin’ny tapa-bolana dia saika isan’andro, afa-tsy ny andro sabotsy ihany, no handrenesana fanafihan-dahalo arahina fandrobana ao Belalanda, kaominina iray 7 km avaratry ny tanŕnan’i Toliara. Tafakatra 60 ny omby efa lasan’ireo malaso am-polony mirongo basy mahery vaika, hoy ny vaovao voaray. Raha ny fanazavan’ireo mponina dia andrasan’ireo dahalo eo am-baravaran’ny tranony amin’ny vavabasy ireo olona tafihany.
Noho ny tahotra, mifitsaka ao an-trano tsy sahy mivoaka ny mponina, ka miliba ireo malaso mangorona ny omby eo an-tanàna.
Mitsoaka an’ala ny mponina
Ny olona tafatsoaka ny trano fonenany kosa robain’ireo dahalo avokoa ny entana rehetra mora zaka ao an-trano. Batain’izy ireo hatramin’ny kidoro sy vilany misy hani-masaka. Vokatry ny horohoro sy tahotry ny ho faty, betsaka amin’ireo mponina any an-toerana no mitsoa-ponenana ao Toliara tampon-tanàna. Ny tsy manan-kavana miafina any an’ala. Mikatona avokoa ny sekoly rehetra, ka tsy afa-mianatra hatramin’ireo mpianatra hanala fanadinam-panjakana. Nanomboka afak’omaly, hanoherana an’ireo dahalo mpanani-bohitra, nametrahana tobim-paritry ny Zandary ao Belalanda, ahitana mpitandro filaminana 20.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.