• Alatsinainy 12 Oktobra 2015
Actualités.FLM Sambava Potika ny lakilem-piangonana, nifandroritana ny «orgue»

Rotaka indray no niafaran’ny fotoam-pivavahana tao amin’ny FLM Sambava omaly, mbola tohin’ny raharaha tsy fahatanterahan’ny famindran-toerana ny pastora tompon-toerana tao no antony.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2015
Actualités.Antananarivo Renivohitra Mihatototra Andriantany, simba ny paompin’ny SAMVA

Taorian’ny namoahan’ny Ben’ny tanàna didim-pitondrana voalohany mandrara ny fitaomana ranontany sy fanotofana tany eto Antananarivo Renivohitra dia nitety kartie amin’ny faritra iva ireo depiote Tiako i Madagasikara voafidy teto an-drenivohitra nijery ireo asa maika hatao mialoha ny hiavian’ny orana, hisorohana ny loza ateraky ny tondradrano.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2015
Actualités.Ben’ny tanànan’i Mahajanga Ny famindram-pahefana tsy vita, ny tranony nisy namaky

Mihazakazaka ny toe-draharaha ao Mahajanga taorian’ny tsy nahavitan’ny famindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny delegasiona manokana Maeva Houssen Portos sy ny Ben’ny tanàna MAPAR voafidy Andriantomanga Mokhtar Salim tokony ho natao ny zoma 9 okotbra 2015 teo.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 10 Oktobra 2015
Actualités.Mpandraharaha maty voatifitra Very ny 20 tapitrisa sy volamena 100g

Nandriaka ny ra tao Mahatazana, fokontany Tsararay, Kaominina Miarinavaratra Distrikan’i Fandriana. Mpandraharaha volamena iray antsoina hoe Randriatsiferana Kotondrasoa, 52 taona, no maty tsy tra-drano notifirin’ny jiolahy tao an-tranony.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 10 Oktobra 2015
Actualités.Fampandrosoana ifotony Nanomboka omaly ny asa

Tsy maintsy tontosa ny alakamisy teo avokoa farafahatarany ny fifamindram-pahefana teny anivon’ny kaominina tsy mbola nahavita izany. Notanterahana omaly mantsy ny lanonana ofisialy fametrahana ireo ben’ny tanàna vaovao notarihan’ireo solontenam-panjakana eny anivon’ny distrika isanisany toa an’Atsimondrano, Avaradrano, Ambohidratrimo na koa Arivonimamo.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 10 Oktobra 2015
Actualités.Kôrtezin’ny praiminisitra Niharan-doza teny Ambohimiandra

Niharan-doza ny fiara tsy mataho-dalàna mpisava lalan’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta. Omaly tolakandro no nisehoan’ny loza tetsy amin’ny sampanan-dalan’Ambohimiandra sy Fenomanana.

Hamaky ny tohiny
FTT