• Alakamisy 15 Oktobra 2015
Actualités.Penjy Randrianarisoa Niaka-tsehatra voalohany teny amin’ny CCI

Teny amin’ny CCI Ivato omaly tamin’ny fanombohan’ny fivorian’ny RSS (Rindra Safatsiroa ny Sehatry ny fandriampahalemana) hamaritana ny paikady vaovao hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana eto amintsika no nisantaran’i Penjy Randriananarisoa ny kabary ofisialy nataony hatramin’izay nivoahan’ny vokatra ofisialy nanendry azy ho ben’ny tanàna vaovaon’ny kaominin’Ivato Ambohidratrimo.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2015
Actualités.Radio «Madagascar World Voice» Hanomboka amin’ny martsa 2016 ny andrana

Hanaovana andrana voalohany miainga avy ao Amparemahitsy, Kaominina Belobaka, ao Mahajanga II ny onjampeo amerikanina «Madagascar World Voice» na MWV eny manomboka ny volana martsa 2016.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2015
Actualités.Fisolokiana fandefasana mpiasa mankany ivelany Lehilahy iray no nampidirina am-ponja vonjimaika

Betsaka ireo olona mora fitahina amin’izao fa misy asa miandry any ivelany satria be karama. Ny alatsinainy 12 oktobra lasa teo dia nisy olona maro nametraka fitoriana tao amin’ny Polisy PJ (Police Judiciaire) teny amin’ny Faritany Ambohidahy mahakasika lehilahy iray mahavita mandefa olona hiasa any Maorisy.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2015
Actualités.Fanaovana politika eto Madagasikara Mbola betsaka ny lesoka

Mbola betsaka ny lesoka amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara raha araka ny nambaran’ireo mpampianatra hiasa eo anivon’ny “Ecole Superieure de Droit et Science politique” etsy amin’ny Mausolé. Ohatra izay rehetra mahay miresaka sy mitehan-tanana eny ambony latabatra ihany mantsy, hoy izy ireo, no tena manjaka fa tsy misy intsony ny fijerena ireo tena mahay politika.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2015
Actualités.Miandrivazo In-telo nitrangana ambalavelona tao amin-dry masera

Tranga mampiahiahy ! Nitrangana aretina ambalavelona in-telo miantoana tao amin’ny sekolin-dry masera Miandrivazo hatramin’ny faran’ny herinandro lasa iny no ho mankaty.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2015
Actualités.RN2 Ambohimangakely Taksibe telo potika, mpandeha 14 naratra mafy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana vao maraina teny Kianja Ambohimangakely omaly. Fandehanana mafy sy fifanenjehana no fototry ny loza.

Hamaky ny tohiny
FTT