• Zoma 16 Oktobra 2015
Actualités.Fahantrana lalim-paka Mampanahy ny zava-misy eto Madagasikara

Efa hita taratra ny ezaka amin’ny famongorana ny fahantrana manerantany. Raha manodidina ny 13% mantsy ireo mahantra fadiranovana tamin’ny taona 2012 dia sambany latsaky ny 10% izany, araka ny vinavina amin’ity taona 2015 ity.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 16 Oktobra 2015
Actualités.Betroka Tokantrano iray nisy nanafika, 3 naratra

Olona telo mianaka no naratra ary vola telo alina ariary sy entana madinidinka toy ny radio carte sy ny vilany tao an-dakozia no very. Io no vokatry ny fanafihana tokantrano iray tao amin’ny fokontany Fiadanana, kaominina ambonivohitr’i Betroka, distrikan’i Betroka omaly hariva tokony ho tamin’ny 9 ora alina.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 16 Oktobra 2015
Actualités.Halatra vary 9 kaontenera tao Toamasina Tambajotra goavana no nanao azy

Olona iray mpiasa teo anivona orinasa “transitaire” mpamoaka entana ara-dalàna eo anivon’ny ladoany, no miandry fitsarana am-ponja ankehitriny tao anatin’ilay halatra vary 9 kaontenera an’ny “Krish Global” ao Salazamay Toamasina.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 16 Oktobra 2015
Actualités.Fakana an-keriny an’i Moustapha Azir Diso adiresy ireo jiolahy ?

Na sarotra aza ny fanangonana ny vaovao noho ireo fianakavian’i Moustapha Azir izay tena mangina tsy manome vaovao mihitsy, dia misy ihany ireo teratany karana mahalala tsara ny raharaha sy ny fianakaviany mba miresaka ny zava-misy hahafahana manara-maso ireo nahavanon-doza sy ny fivoaran’ny raharaha ihany koa.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2015
Actualités.Fangalarana harem-pirenena Ho hentitra manomboka eto ny fampiharana ny sazy

Ho henjana ny fampiharana ny sazy ho an’ireo tratra mangalatra ny harem-pirenena manomboka eto, hoy ny praiminisitra Jean Ravelonarivo, fa hisy ny fiaraha-miasa amin-dry zareo Afrikanina Tatsimo sy ny Amerikanina amin’izany ary tsy hanavahana saranga na sokajin’olona izany sady tsy hisy indrafo, fa izay tra-tehaka dia hiharan’ny sazy sy famaizana avokoa.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2015
Actualités.Fanafihan-dahalo Miaramila zazavao iray maty tany Mandoto

Miitatra ny fahavoazana taorian’ny nanafihan’ny dahalo 15 lahy mirongo basy ny tanànan’i Malokila, Kaominina Vasiana, Distrikan’i Mandoto ny tolakandron’ny zoma lasa teo, ka nandoroan’izy ireo trano 29 tafo sy nahavery ny omby miisa 76 tao an-tanàna.

Hamaky ny tohiny
FTT