• Talata 15 Desambra 2015
Actualités.Tsy fandriampahalemana any Betroka Mampiaka-peo ny mponina any an-toerana

Efa tena mihoatra ny fefy ny fihanaky ny tsy fandriampahalemana any amin’ny distrikan’i Betroka Faritra Anosy ka nandefa solontena niakatra teto Iarivo hanaitra ny sain’ny tompon’andraikitra mahefa, ny faran’ny herinandro teo, ny mponina any an-teorana

Hamaky ny tohiny
  • Talata 15 Desambra 2015
Actualités.Manakara Mbola miandry ny seranam-tsambo sy ny tetezana

Sady marary no mangirifiry ny miresaka ny seranam-tsambo any Manakara sy ny tetezana ao Manakarabe izay mifampiankina ary hiankinan’ny famoaham-bokatra any amin’iny Faritra Vatovavy Fitovinany iny amin’ny ankapobeny, hoy ny depiote

Hamaky ny tohiny
  • Talata 15 Desambra 2015
Actualités.Behoririka Nirehitra ny Golden Center

Nieren-doza i Behoririka ! Na izany aza, nikatona tsy lera ny toeram-pivarotana tamin’ireo tranoben’ny Sinoa eny Behoririka omaly, vokatry ny hain-trano nitranga tao amin’ny tranombarotra Golden. « Soudure » no voalaza fa nitarika ny loza.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 15 Desambra 2015
Actualités.Mahitsy eny Ambohimanambola-Alasora Namono olona indray ny lozam-pifamoivoizana moto

Tovolahy roa nitainga moto no niharam-boina voadonan’ny fiara madinika ananakiray vao avy nosongonan’izy ireo noho ny fiseranana tampoka nataon’izy ireo nanoloana izany fiara nosongonany izany,

Hamaky ny tohiny
  • Talata 15 Desambra 2015
Actualités.Analakely, Mahamasina Tsy azon’ny taksibe hidirana intsony manomboka anio

Tsy azon’ny taksibe hidirana intsony manomboka anio talata 15 desambra, fotoana hanombohana ny “Bazar de noel” 2015 ny etsy Analakely sy Mahamasina, raha araka ny fanazavan-dRaveloson Landy, tompon’andraikitra ao amin’ny sampana “Urbanisme et dévéloppement”, eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 15 Desambra 2015
Actualités.Faritra avo eto an-drenivohitra Tsy azo hanorenana trano vaovao intsony

Tsy azo hanorenana trano intsony manomboka izao manerana ireo faritra avo eto an-drenivohitra, raha araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary ary ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Hamaky ny tohiny
FTT