• Alarobia 06 Janoary 2016
Actualités.Halatr’omby tao Ambatondrazaka Dahalo 12 no voasambotra

Mihamafana hatrany ny asan-dahalo any amin’iny distrikan’Ambatondrazaka iny amin’izao fotoana izao. Voakasik’izany manokana talohan’ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izay nahatrarana dahalo sambo-belona miisa 12 niaraka tamin’ny bala sy ny ody gasy.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 06 Janoary 2016
Actualités.« Centre digital pour les femmes » Ezahana hahazo tombontsoa avokoa ny boriborintany rehetra

Ezahana hahazo tombontsoa avokoa atsy ho atsy ireo vehivavy manerana ny boriborintany enina eto Antananarivo renivohitra liana amin’ny fiofanana maimaim-poana amin’ny fikirakirana solosaina, amin’ny alalan’ny Centre digital pour les femmes karakarain’ny Ong East sy ny Fondation Orange.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 06 Janoary 2016
Actualités.Fokonolona eny amin’ny boriborintany faha-4 Hanadio ny tatatra sy hanala ny tsikafona

Mba ho fanohanana ny kaominina Antananarivo renivohitra, indrindra tsy hitondra vesatra loatra ho an’ny mpitondra dia hanao angaredona hanadio ny tatatra sy hanala ny tsikafona rehetra manerana ny faritra misy azy ireo Fokontany mandrafitra ny Boriborintany faha-efatra, tarihin’ny delege Ratsisetraina David.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 05 Janoary 2016
Actualités.Zandary sy miaramila any Miandrivazo Tambazana vola vao mety miasa ?

Efa tena isan’andro no hitrangana asan-dahalo any Miandrivazo, mitaintain-dava, mandry andriran’antsy ny mponina any an-toerana indrindra fa ireo any ambanivohitra ; ny tena loza anefa raha araka ny angom-baovao natao dia misy fotoana atena miady irery ny vahoaka ary tahaka ny hoe tsy misy mpitandro filaminana hiaro azy ireo any an-toerana.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 05 Janoary 2016
Actualités.Mpivarotra amoron-dalana Miverina any anaty tsena

Araka ny efa nambara teto dia nanomboka omaly tamin’ny 5 ora maraina ny fanadiovana ny tanàna sy fandaminana ireo mpivarotra amoron-dalana eto Antananarivo renivohitra.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 05 Janoary 2016
Actualités.Fiara mibahan-dalana sy mandika lalàna « Fourrière » avy hatrany izay tratra

Tsy ny mpivarotra irery ihany no tsy maintsy manara-dalàna eto Antananrivo renivohitra fa izay rehetra miaina sy mifamezivezy eto

Hamaky ny tohiny
FTT