• Zoma 27 Mey 2016
Actualités.Tranombokim-pirenena Anosy Karazam-boninkazo 2 000 no ampirantiana

Andro iray sisa no andrasana dia hankalaza ny fetin’ny Reny isika. Betsaka ireo mbola hisahirana hitady fanomezana hatolotra ho an’ny Reny, antony nanosika ny fikambanana Ceinture verte hikarakara varotra fampirantiana etsy amin’ny tranom-bokim-pirenena Anosy.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 25 Mey 2016
Actualités.Fitadiavan’asa Manantena ny Tiko ny olona

Olona maro no mbola tonga teny amin’ny Magro Ankorondrano nanatitra ny «Curriculum Vitae». Nitohy rahateo ny fandraisana izany taorian’ny fidinana ifotony nataon’ny filoha mpanorina ny vondrona orinasa Tiko teny an-toerana. Ireto misy fanehoan-kevitra vitsivitsy avy amin’ireo mpangataka asa :

Hamaky ny tohiny
  • Talata 24 Mey 2016
Actualités.Ady amin’ny kere any Atsimo Vonona ny paikady, ny vola sisa andrasana

Manamafy ny minisiteran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy fa tsy maintsy havadika asa ireo fikaonan-doha sy fivoriana natao ho famahana ny olan’ny tsy fahampian-tsakafo sy ny fahantrana mikiky ny tapany atsimon’i Madagasikara.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 24 Mey 2016
Actualités.Mpitondra Malagasy Hotsarain’ny FMI amin’ilay programa lasitra

Handrefy ny fanatontosan’ny fitondrana Rajaonarimampianina ilay fandaharanasa lasitra nanomboka tamin’ny volana oktobra 2015 hatramin’ny martsa 2016 indray ny iraky ny Tahirimbola iraisampirenena ho avy eto Madagasikara amin’ity faran’ny herinandro ity.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 24 Mey 2016
Actualités.Dinam-piarahamonina Namoahana boky 100 pejy

Vita tanteraka ilay boky novolavolain’ireo teknisiana nanomboka ny taona 2009 entina hanovana ifotony ny rafitry ny dinam-piarahamonina eto amintsika. Ahitana pejy mihoatra ny 100 izy io, mirakitra sy mampahafantatra ny Malagasy rehetra ny tokony ho fiainan’ny isam-barabarana manoloana ireo karazana harena ananantsika saingy tsy izay no zava-misy.

Hamaky ny tohiny
FTT