Olona maro no mbola tonga teny amin’ny Magro Ankorondrano nanatitra ny «Curriculum Vitae». Nitohy rahateo ny fandraisana izany taorian’ny fidinana ifotony nataon’ny filoha mpanorina ny vondrona orinasa Tiko teny an-toerana. Ireto misy fanehoan-kevitra vitsivitsy avy amin’ireo mpangataka asa :
Rivah : «Milahatra eto aho noho ny tsy fananako asa. Latsaka an-katerena ny firenena ka mila mieritreritra ihany ny fanjakana Malagasy. Tokony hanome asa ireo vahoaka maro ireo ny mpitondra mahefa. Tsy manam-bola ireo olona marobe ireo matoa miainga maraina any an-tokantranony. Tsy mety ny fanakatonana ny orinasa Tiko fa efa tena mijaly ny vahoaka Malagasy.
Nampoina : «Ao anatin’ny tanora marobe tsy manana asa aho. Efa niasa aho teo aloha fa very asa. Tsy te hanompo vahiny intsony fa te hiasa amin’ny orinasa Malagasy mitovy amiko. Manantena fa horaisina ho mpiasa ao amin’ny Tiko».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.