Vita tanteraka ilay boky novolavolain’ireo teknisiana nanomboka ny taona 2009 entina hanovana ifotony ny rafitry ny dinam-piarahamonina eto amintsika. Ahitana pejy mihoatra ny 100 izy io, mirakitra sy mampahafantatra ny Malagasy rehetra ny tokony ho fiainan’ny isam-barabarana manoloana ireo karazana harena ananantsika saingy tsy izay no zava-misy.
Mbola ireo mpamatsy vola sy ireo teratany vahiny ihany, hoy i Joseph Yoland no mibaiko ny dinam-piarahamonina eto amintsika. Tsy azo ekena intsony izany hoy izy; antony tsy maintsy hanaparitahany ny boky ato ho ato. Mialohan’izany anefa dia nentiny teny amin’ny ministeran’ny atitany ity boky ity mba ho fiarovana ny zon’ny mpamorona izay mbola nitohy teny amin’ny OMDA. Mikasika ny fandehanan’izy ireo teny La Réunion kely manokana dia nomarihina fa tera-tany Malagasy no monina eny nefa tena mijaly sy fadiranovana tokoa. Nisy ihany koa ny fakany ny hevitr’ireny olona ireny. Tsiahivina fa voarakitra ao anatin’ity boky ity avokoa ireo zanaka Malagasy mitsindroka, ny famonoan’ny miaramila ny vahoaka malagasy, ny lalana ratsy mila fanamboarana…
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.