Handrefy ny fanatontosan’ny fitondrana Rajaonarimampianina ilay fandaharanasa lasitra nanomboka tamin’ny volana oktobra 2015 hatramin’ny martsa 2016 indray ny iraky ny Tahirimbola iraisampirenena ho avy eto Madagasikara amin’ity faran’ny herinandro ity.
Miankina amin’io vokatry ny fanadihadiana mandritra ny tapa-bolana hataon’ny delegasionina avy amin’ny FMI eto amintsika io no mety hahazoan’ny firenena Malagasy ilay «Fonds Elargi de Crédit» mitentina 240 tapitrisa Dts mandritra ny 3 taona. Nasian’ny manampahaizana Marshall Mills manokana tamin’ny fitsidihana nataony ny volana martsa moa ny momba ny tohana ara-bola matevina isan-taona harotsaky ny vahoaka Malagasy ao amin’ireo orinasam-panjakana toy ny Jirama sy ny Air Madagascar. Fanamarihana avy amin’ny talen’ny departemanta Afrika ao amin’ny FMI nandritra ny fahatongavany teto ny volana aprily kosa ny tsy fahampian’ny hetra miditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana hanarenana ny toekaren’i Madagasikara. Tsara ihany ny mampahatsiahy fa fepetra fototra takian’ny programa modely ny fampisongadinana ny tohana ara-pihariana sy ny ady maharitra amin’ny fahantrana. Toa mionona fotsiny amin’ny fanomezana asa an-tselika toy ny RRI ao anatin’ny 100 andro aloha anefa hatreto ny governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier. Tantara mitohy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.