Manamafy ny minisiteran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy fa tsy maintsy havadika asa ireo fikaonan-doha sy fivoriana natao ho famahana ny olan’ny tsy fahampian-tsakafo sy ny fahantrana mikiky ny tapany atsimon’i Madagasikara.
Hifarana amin’ny 30 mey izao ny hetsika 100 andro nandraisan’ireo minisitera 10 anjara ho fanampiana sy fanohanana ireo mponina tao amin’ireo distrika 7 tena sahirana ka teo ny fizarana sakafo 500 taonina, fanomezana fitahirizan-drano, fikarakarana ara-pahasalamana ary fizarana osy 1 000 ho an’ireo mpiompy. Anisan’ny fehin-kevitra noraisina taorian’ilay fikaonan-doha tany Ambovombe-Androy ny 19 sy 20 febroary 2006 ny fanamboarana fantsona iray goavambe hamatsiana rano iny tapany atsimon’ny nosy iny. Eo ihany koa ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-10, 13 ary 17, ny fampiroboroboana ny fiompiana sy ny jono ary ny fambolen-kazo. Goavana sy lavitr’ezaka ny asa miandry ary tena mila vola be tokoa. 942 tapitrisa dolara no tetibola ilaina hanatanterahana ny asa. Hatreto aloha dia 15 tapitrisa dolara no nampanantenaina fa ho azy, tsy maintsy mbola hokarohana izany ny 926 tapitrisa dolara mahery. Mihevitra ny minisiteran’ny mponina fa fotoana tokony hanatanterahana asa goavana ho fanampiana ny mponina any Atsimo indray amin’izao mialoha ny fanombohan’ny enim-bolana faharoa amin’ity taona ity izao. Amin’izay dia mba efa tsara tohana sy vonona hiatrika ny hain-tany manaraka indray amin’ny volana oktobra ireo mponina. Ary efa hisy ny asa ara-tsosialy hikarakarana ireo olona tena sahirana vantany vao mivoaka ny famatsiam-bola, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny mponina hatrany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.