Olana noho ny familiana fiarakodia avokoa no mahatonga ny 50%-n’ny lozam-pifamoivoizana eto Madagasikara. Loza mahakasika ny fitateram-bahoaka kosa ny 41%. Manodidina ny 90.000 hatramin’ny 160.000 ariary ihany koa ny vidin’ny «permis de conduire» eny amin’ny varo-maizina na ilay taratasy fahazoan-dalana mamily fiarakodia «vorontsiloza», araka ny fanadihadiana natao. Tambajotra goavana ahitana sokajin’olona samihafa izy io ary manana mpiaro tena matanjaka ihany koa.
SARY : Dossier Auto ecole 001
Karatra biometrika sy saram-panadinana
Resabe tokoa tato ho ato ireo lozam-pifamoivoizana nifanesisesy namoizana ain’olona maro. Tranga nahatonga fandraisana fanapahan-kevitra samihafa toy ny fampiasana karatra familiana fiarakodia biometrika sy ny fampisondrotana ny saram-panadinana avy amin’ny «Agence de transport terrestre».
Manana ny fomba fijeriny mikasika izay ireo mpitantana «Auto-Ecole».
*Rasoarinoro Voahirana : “Tsy dia nanova loatra ny fomba fampianarana teto aminay ireo fandaminana vaovao ireo. Efa napetraka mialoha fa ny saram-panadinana sy ny ekolazy ihany no aloa ato amin’ny sekoly. Aloan’ny mpiadina mivantana eny amin’ny faritany Ambohidahy kosa ny vidin’ny kara-pamiliana biometrika aorian’ny fahafaham-panadinana. Hita tena sahirana amin’ny fitombon’ny vola aloa ireo mpianatra ka mbola mitazona ny saram-pianarana teo aloha izahay hatreto. Mila mitandrina sy manaraka an-tsakany sy an-davany ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana tsirairay ialàna amin’ny loza mety hitranga”.
SARY Rasoarinoro Voahirana
*Ramanandraibe Andry : «Notsipahan’ny sekoly fampianarana mamily fiarakodia ny fanondrotana ny saram-panadinana avy amin’ny ATT. Miantraika amin’ny isan’ireo mpianatra manatona sekoly familiana fiarakodia mantsy ankehitriny ireo sarany aloa samihafa amin’ny auto-école, ny ATT ary ny CIM. Mangataka ny mba hanafoanana azy ireo izahay raha azo atao. Fiarovana tsara indrindra hisorohana ny lozam-pifamoivoizana ny fisian’ireo karazana torolalana manampy ireo mpitondra fiara eny amin’ny arabe sy ny fanomezana fampiofanana azy ireo».
SARY Ramanandraibe Andry
Ady amin’ny kolikoly
Tsy maintsy nirosoana ny fampiasana taratasy biometrika familiana fiara eto Madagasikara iadiana amin’ny firoborobon’ny kolikoly, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny «Centre Immatriculateur» Ambohidahy. Tsy rototra loatra amin’ny fanoloana ny «permis de conduire» tranainy ho biometrika anefa ireo mpitondra fiarakodia. Mbola manana hatramin’ny faran’ny taona 2016 rahateo ireto farany hisitrahana ity fahazoan-dalana mamily fiara amin’ny endriny vaovao ity. An’arivony hatreto na vao ny 1% latsaky ny mpamily fiarakodia eto an-drenivohitra hatramin’izao no nanao fangatahana hanova izany hatramin’ny volana novambra 2015 nanombohan’ny fanentanana ny maha ara-dalàna azy eto amintsika, araka ny angom-baovao natao. Vita ao anatin’ny 5 andro ny fikarakarana miaraka amin’ny fahazoana taratasy mamily fiarakodia vaovao eny anivon’ny «Centre Immatriculateur de Madagascar» izay sandaina 38.000 ariary. Manodidina ny 150 isan’andro ny «permis de conduire» zarain’ny ivontoerana eny Ambohidahy. Ho tratra kosa ny tanjona 6 hetsy amin’ny volana desambra 2016. Ankoatra ny tsy fahafahana manao hosoka ity karatra familiana fiarakodia vokatra avo lenta ity dia azo ampiasaina ho antontan-taratasy fitondra mivezivezy ihany koa izy. Hita ao anatin’ilay «puce» avokoa mantsy ny vaovao rehetra momba ny tompony.
SARY:Eto ny fikirakirana ny «permis de conduire biométrique» ao amina’ny faritany Ambohidahy
Sazy 1 hetsy hatramin’ny 2 tapitrisa ariary
Tsy mbola mihatra eto Madagasikara hatramin’izao ny volavolan-dalàna mifehy ny fifamoivoizana efa nankatoavin’ny Antenimieram-pirenena efa ho herintaona mahery izao. Tsy mifanaraka amin’ny Lalàna fototra anefa ireo andininy sasantsasany, araka ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Natao ny fanitsiana azy ireo ka andrasana mandritra ity fivoriana ara-potoana amin’ity volana mey sy jona 2016 ity ny fandinihana miaraka amin’ny fankatoavan’ny fahefana mpanao lalàna azy. Miisa andininy 75 io volavolan-dalàna vaovao io ka anisan’ny mampiavaka azy ny fanamafisana ny lamandy ampiharina amin’ireo mandika lalàna. Manomboka amin’ny 1 hetsy hatramin’ny 2 tapitrisa ariary ny vola sazy aloa amin’izany. Mijanona ho manan-kery mihatra eto amin’ny tanin’ny Repoblika Malagasy aloha izany ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana tamin’ny taona 1962 efa nasiam-panavaozana in-droa dia ny taona 1971 sy ny taona 1991.
Lalàna mifehy ny fifamoivoizana
Tsy mahafantatra ny vontoatin’ilay volavolan-dalàna mifehy ny fifamoivoizana efa eny am-pelatanan’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara hatreto ireo sekoly mampianatra familiana fiarakodia, araka ny resaka nifanaovana tamin’ny solontenan’izy ireo. Mankasitraka ny lamina vaovao fanoloana ny karatra familiana ho lasa biometrika kosa izy ireo. Tokony hisy ihany anefa ny fepetra raisina mifanaraka amin’ny vola takian’ny fanjakana. Anisan’izany ny fanatsarana hita maso ny toerana fiatrehana fanadinana na koa ny fikojakojana ireo fotodrafitrasa torolalana ho an’ireo mpitondra fiarakodia.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.