Actualités

Tranombokim-pirenena Anosy Karazam-boninkazo 2 000 no ampirantiana


  • Zoma 27 Mey 2016

Andro iray sisa no andrasana dia hankalaza ny fetin’ny Reny isika. Betsaka ireo mbola hisahirana hitady fanomezana hatolotra ho an’ny Reny, antony nanosika ny fikambanana Ceinture verte hikarakara varotra fampirantiana etsy amin’ny tranom-bokim-pirenena Anosy.

 

Nanomboka omaly ny hetsika ao anatin’ilay lohahevitra hoe : “Neny sy ny voninkazo”. Karazam-boninkazo mihoatra ny 2.000 isa no arantiny amin’izany, izay nomarihin-dRakotoson Vololona, filohan’ny fikambanana fa natao amin’ny vidiny mirary tokoa. 2.000 Ar dia efa mahazo karazam-boninkazo iray tsara tarehy, azo atao fanomezana ho an’i Neny, miampy torohevitra maimaimpoana ho an’ireo izay mila izany. Hampiavaka  ny fotoana rahampitso ny fisian’ny fanomezana manokana hatolotra ho an’ireo reny rehetra mandalo eny an-toerana, miampy vatsim-panahy entina mamakivaky ny fiainana, hahatonga ny rehetra hahomby. Ankoatra ny karazam-boninkazo toy ny orchidée sy ny anthurium moa dia hita ao an-toerana ihany koa ny zana-boankazo azo atao eny an-davarangana, na koa eny an-jaridaina. Tsara ny manamarika fa efa sivy taona izao no nisian’ny fikambanana. Renim-pianakaviana matihanina amin’ny fambolena voninkazo avokoa  ireo mpikambana ao aminy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT