• Alarobia 18 Oktobra 2017
Actualités.Mpanakorontana ny asa fanaovan-gazety Nampitandrina ny minisitry ny serasera

Ny vadina mpanao gazety dia tsy mpanao gazety, hoy ny minisitry ny fifandraisana, Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia, omaly raha naneho hevitra tetsy Tsimbazaza manoloana ny fisiana vadina mpanao gazety iray izay nolazainy fa tato ho ato dia nanao fihetsika sy teny manomboka manakorontana ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto amintsika.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 18 Oktobra 2017
Actualités.Mahavoky Besarety Razana roa no natsingevan’ny rano

Olona roa sahady izao no maty natsingevan’ny rano maloto tao amin’ny fokontany Mahavoky Besarety vokatry ny firotsahan’ny rotsak’orana. Lehilahy ny iray tokony ho tamin’ny 8 ora maraina ary tsy nisy naka raha tsy efa folakandro.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 18 Oktobra 2017
Actualités.Fifandonan’ny jiolahy sy zandary teny Ampitatafika 3 voasambotra, tratra ny basy poleta

Andian-jiolahy miisa 5 mitam-basy nikasa hanafika teny Ankadivory Ampitatafika no voasambotry ny zandary nanao fisafoana ny alakamisy alin’ny 12 oktobra tokony ho tamin’ny 12 ora. Efa tafahanika ny tambohon’ny tokantrano saika hokendreny, ary efa tany anaty efitrano aza no tsikaritry ny zandary, ka raikitra ny sakoroka.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 17 Oktobra 2017
Actualités.Zandary lavo tany Betroka Maty noho ny hatairana ihany koa ny reniny

Maty voatifitry ny dahalo tany Betroka ny 13 oktobra lasa teo ny zandary iray kilasy faharoa Ralaivao René Germain, vao erotrerony tokoa. Nandritra ny fifanenjehana tamin’ny dahalo tany Betroka no nahalavo azy, ka raha ny fanazavana azo teo anivon’ny seraseran’ny zandarimariam-pirenena, dia mody nifangaro tamin’ny fokonolona ireo dahalo ka nodidiny ho eo afofoany ity zandary ity avy eo.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 16 Oktobra 2017
Actualités.Fangalarana herinaratra Tratra ambodiomby ireo mpiasan’ny Jirama

Tranga hafa mihitsy ity niseho tao Toamasina ny zoma hariva ity, satria mpivady samy mpiasan’ny jirama ao Toamasina no tratran’ny orinasa Jirama mangalatra herinaratra, ka mamarotra amin’ireo fianakaviana maromaro manodidina azy ireo tao Ambalamanasy “Carreau II”.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 14 Oktobra 2017
Actualités.Vono olona teny Ambohitrarahaba Ankizy 2, lehilahy 1 nidoboka eny Antanimora

Olona 6 no niakatra fampanoavana teny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy omaly momba ilay raharaha fandrobana sy famonoan’olona ary fakana an-keriny teny Ambohitrahaba ka nahafatesana tovolahy kely izay norasarasaina tamin’ny famaky , notapahin-doha avy eo nesorina ny masony.

Hamaky ny tohiny
FTT