• Alakamisy 04 Janoary 2018
Actualités.Frantsay voatsatok’antsy Hita tao an-jaridaina ny fatiny

Vazaha Frantsay antsoina hoe G.V no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tao an-tranony avy eo nalevin’ny mpamono azy teo an-jaridainany tany Morafeno Antsiranana. Nisy tsatok’antsy mantsy teo amin’ny tendany ary nahitana ratra ny tongony sy tao amin’ny lamosiny taorian’ny namongarana ny razana teo amin’ny toerana nandevenan’ireo tsy mataho-tody azy.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 03 Janoary 2018
Actualités.Rivodoza AVA Hiditra an-tanety rahampitso…

Namoaka naoty maneho ny tatitra mikasika ny toetr’andro ny Minisiteran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro omaly maraina. Nivoitra tamin’izany, fa misy rivodoza miforona ao amin'ny ranomasimbe Indianina, ka maly tamin'ny 09 ora teo dia tany amin'ny 550Km Atsinanan'i Sainte Marie no nisy azy. Araky ny vinavina dia hitombo hery izy ary ahiana hiditra an-tanety rahampitso alakamisy 04 na ny zoma 05 janoary 2018.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 03 Janoary 2018
Actualités.Fety tany Toamasina Mpanendaka iray maty voatifitry ny polisy

Nihena be tsy tahaky ny isan-taona ny tranga noraisin’ny mpitsabo eo anivon’ny Vonjy Taitra ny Hopitaly be Toamasina tamin’ity taona ity. Raha ny tranga noraisin’izy ireo notsaboina dia niisa 85 izany ny alahady sy ny alatsinainy teo

Hamaky ny tohiny
  • Talata 02 Janoary 2018
Actualités.Raharaha Marc Tatandraza Fanadalana saim-bahoaka fotsiny ?

Nanomboka ny takarivan’ny alahady 24 desambra no niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera fesiboky ny sarin’ilay mpitarika fivavahana amina fiangonana zandriny Marc Tatandraza, izay nambara fa maty. Tao ny nandray izany ho toz-javatra hatao fihomehezana sy fialam-boly, fa tao kosa no tezitra sy niteny ratsy azy mihitsy aza. Niteraka ady hevitra ity toe-javatra ity, ary maro no nanakiana azy ho mpanadala saim-bahoaka satria ny sary nivoaka, ohatra, dia nifanaingina sy nifamadibadika ny tanany, raha toa ka mahitsy sy tsy mifandray velively ho an’ny maty rehetra.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 30 Desambra 2017
Actualités.Polisy ao Antsiranana Misy terena hiambina karana

Fampitam-baovao avy amina raim-pianakaviana iray manana zanaka polisy miana-draharaha any Antsiranana no naharaisana fitarainana mikasika ny zava-manjo sy fanararaotana ireo mpitandro ny filaminana ambany grady sasany any an-toerana.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 30 Desambra 2017
Actualités.Ankizy kamboty sy sahirana Notoloran’ny vondrona Star fitaovam-pianarana

Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra amin’izao no tsy ara-dalana ny fitaovam-pianarany noho ny tsy fahampian’ny ho enti-manana eo anivon’ny tokantrano. Manampy trotraka izany ny halafosan’ny fitaovana, indrindra fa ireo kipitsony madinika izay nahitana fiakarany hatrany amin’ny 5 % tamin’ity fidiran’ny mpianatra taom-pianarana 2017-2018 ity raha kely indrindra

Hamaky ny tohiny
FTT