Actualités

Rivodoza AVA Hiditra an-tanety rahampitso…


  • Alarobia 03 Janoary 2018

Namoaka naoty maneho ny tatitra mikasika ny toetr’andro ny Minisiteran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro omaly maraina. Nivoitra tamin’izany, fa misy rivodoza miforona ao amin'ny ranomasimbe Indianina, ka maly tamin'ny 09 ora teo dia tany amin'ny 550Km Atsinanan'i Sainte Marie no nisy azy. Araky ny vinavina dia hitombo hery izy ary ahiana hiditra an-tanety rahampitso alakamisy 04 na ny zoma 05 janoary 2018.

Mahatratra 300 km ny savaivon’ity andro ratsy ity ary 10 km isan’ora ny fikisahany mizotra mianatsimo andrefana, izany hoe miha manakaiky ny morontsirak’i Madagasikara. Araka izany, ireto distrika sy faritra manaraka ireto dia iangaviana hiomana sahady amin'ny filazana maintso na filazana fanairana: Antalaha, Analanjirofo, Atsinanana sy Alaotra Mangoro. Ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan'ny Antalaha sy Toamasina dia aoka hitandrina amin'ny mety hisian'ny tafiotra anaty oram-baratra. Dieny izao izany dia mila miomana fatratra ny rehetra n’aiza n’aiza misy azy mba tsy ho tapohin’ny loza. Vao manomboka rahateo ny vanim-potoana fandalovan’ny rivo-doza, ary tombanana ho maromaro sy hahery vaika. Maro ny zavatra mila hiomanana, toy ny fanamboarana ireo mety simba amin’ny trano fonenana, ny fanapahana ireo hazo mety hitera-doza, fiomanana amin’ny toerana mety ho dibo-drano, ny fiarovana ny zavatra mety ho mora simba, toy ny antontan-taratasy, . Isan’ny zava-dehibe ihany koa ny resaka filana andavanandro, toy ny sakafo, ny fanagonana rano fisotro madio, ny harina fandrehitra,… izay mila homanina dieny izao. Ho salorana ny anarana AVA ity andro ratsy ity rehefa feno ny fepetra maha  rivo-doza azy ary mbola hisy iray hafa ihany koa ho avy eto araka ny tombatombana. Zava-dehibe ny fanaraham-baovao tsy tapaka.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT